France sy Gaza : Maro ireo fianakaviana misara-bazana noho ny ady
Tamin’ireo olona naverin’i Frantsa an-tanindrazana avy any Gaza, maro no voatery nandao ny havany noho ny tsy fahazoana alalana avy amin’ny manampahefana Israelianina. Toe-javatra mampivarahontsana nomelohin’ny mpisolovavan’izy ireo, izay mangataka an’i Paris hampitombo ny tsindry ho fanerena an’i Israely mba hahazoana ny fandroahana azy ireo avy ao amin’ny faritra Palestiniana.
