ActualitésTsidika

Ambilobe : Tena mponina avy any ambany ranomasina tokoa ve i Botokia ?

Nisy lehilahy iray tsy fanta-pihaviana, fa mbola mipetraka ho mistery ny nahatongavany tao anaty lakan’ny mpanarato hatramin’izao. Nipoitra tampoka teny ampovoan-dranomasina, izay 6 km miala ny moron-tsiraka Ampasivelogno (Ambilobe), ity rangahy antsoina hoe « Botokia » ity.

« Tena mahagaga ny zava-miseho. sady lalina mantsy no lavitra io ranomasina nahitana azy tampoka io, ka tsy misy fomba tokony nahatongavan’i Botokia teny » hoy ny filoham-pokontany tao Tomboravo. « Maro be ny zavatra notantarain’ity lehilahy ity, ka anisan’izany ny hoe: mponina tany Anjiaben’i Mohia, ambanivohitry ny Sambirano Ambanja izy taloha. Miara-mipetraka miaraka amin’ny fiaraha-monina hafa any amin’ny tanàna tsara any ambanin’ny ranomasina kosa izy amin’izao » hoy ireo Fokonolona ao Ampasivelona ,izay nandray an-tanana ny momba azy.

« Mangataka ny ho aterina any ambanin’ny ranomasina aho satria manina ny vady malalako izay monina any » hoy i Botokia. Marihina fa andrimasompokonolona miisa 24 no mifandimby miandry azy ao an-tanàna izao. Ny sefo fokotany no mikarakara ny sakafony sy ny trano ipetrahany.

Inona marina ny zava-misy miafina ambadik’izao tranga izao ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire