ActualitésTsidika

Anjeva Gara: Efa vita soa aman-tsara ny sekoly « Vonona »

Vita tanteraka ny sekoly « Vonona » ao Anjeva Gara amin’izao fotoana, izay sekoly hikarakarana ireo zaza sahirana sy tsy misy mpiahy ao amin’ny kaominina. Tao anatin’ny telo volana monja no nahavitan’ity fotodrafitr’asa iray ity. »Isaorana ireo niara-niasa rehetra nahatontosan’izao tetik’asa izao indrindra ny fikambanana avy any Allemangne izay namatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra » hoy ny avy ao amin’ny kaominina. « Tena tsara tokoa ny ezaka tahaka izao satria ho aiza àry ny zaza kamboty raha tsy misy ny toy izao » hoy i Lanto, mponina ao Anjeva Gara. « Misy saram-pianarana aloa ato amin’ity sekoly amin’ny maha tsy miankina azy satria mila taizana ny olona mba tsy ho zatra omem-potsiny foana fa mba tokony hisy fandraisana andraikitra avy aminy foana » hoy i Haja Yves Raoeliarison, ben’ny tanàna ao Anjeva Gara.Ankizy maro no afaka misitraka ity sekoly ho entina hanampiana ny zaza sahirana ity ary tena miavaka tokoa satria vitsy ny toy izany. Sekoly tsy miankina izy, kanefa tena manampy sy manohana ny vahoaka tokoa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire