Fifaninanana Tsidika, Sokajy Foto-drafitr’asa, Kaominina Ambohimanga Rova
Tobim-pahasalamana CSB II ao Manakasina kosa ny foto-drafitr’asa miavaka ao amin’ny Kaominina Ambohimanga Rova izay notokanana ny 23 Jolay 2021 lasa teo. Nanahirana tokoa ny fitsaboana ny mponina noho ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana ka nanamora ny olana ara-pahasalamana any an-toerana ny fisian’ity CSB ity. Niara-nisalahy ny mponina sy ny kaominina satria nahatsapa fa tena ilaina amin’ny fandrosoana ny vahoaka salama.
