Fifaninanana Tsidika, Sokajy Foto-drafitr’asa, Kaominina Ambohidrabiby
Fonja azo lazaina ho tena manara-penitra no mipetraka ao Ambohidrabiby izay notokanana ny 27 septambra 2021 lasa teo. Manana velarany 9 000m² ka afaka mandray voafonja hatramin’ny 1 000 isa. Hitondra fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny fananganana foto-drafitr’asa tahaka izao satria tsy natao ambanin-javatra i Ambohitrabiby na dia toerana ambanivohitra aza.
