Fifaninanana Tsidika
Mikarakara fifaninanana entina hampahafantarana ireo zava-bita sy ireo olona manan-talenta eny anivon’ny kaominina eto amin’ny distrikan’Avaradrano ny gazety Tsidika. Ny tanjona dia hanehoana ny mampiavaka ny distrika sy ny kaominina tsirairay, sy ireo hery velona eo anivon’ny sehatra misy eny an-toerana. Ny hitondra fampandrosoana eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra ny eto amin’ny distrikan’Avaradrano, no tanjona.
Mizara ho sokajy enina ny fifaninana, ary izay mendrika indrindra amin’ireto sokajy tsirairay avy ireto no handresy amin’izany :
. Ny asam-bahoaka (Service public) : bus, CSB…
. Ny foto-drafitr’asa (Infrastructures) : lalam-baovao…
. Ny hetsika manokana (Initiative privée) : spectacle, dons. Zavatra nataon’ny orinasa ho an’ny vahoaka…
. Ny toerana fizahan-tany (Site touristique) : rova, …
. Ny mpandraharaha (Entrepreneur)
. Ny mpanao asa tanana (Artisan)
Ho alefa tsirairay eto amin’ny pejy ireo mpifaninana, ka izay mahazo « j’aime » betsaka indrindra isaky ny sokajy no mibata ny loka mandritra ny fety karakaraina eny Anjeva amin’ny 30 sy 31 desambra.
