ActualitésTsidika

Masay : Jiolahy iray lavon’ny polisy, iray hafa azo sambo-belona

Nisehoana fanafihan-jiolahy indray teny Masay, tokony ho tamin’ny 7 ora marainan’ny 10 desambra teo. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny jiolahy mitam-piadiana sy ny mpitandro filaminana. Rotiky ny bala ny fiaran’ny Polisy ary nitifitra nandositra niaraka tamin’ny fiara « Renault Kangoo » ireo jiolahy. »Nitohy ny fifanenjehana ary tratra teny Ambodivoanjo ilay fiara nitondra an’ireo jiolahy. Azo sambo-belona ihany koa ny jiolahy iray nitondra ilay fiara. Nandositra tany anaty lobolobo niaraka tamin’ny basy ny jiolahy iray hafa, ka teny Masay no tratra » hoy ny tatitra nataon’ny Polisim-pirenena. »Tena efa mila ho isan’andro mihitsy ity trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny tanàna ity, tsy eto andrenivohitra tsy any amin’ny faritra fa tena mankaleo mihitsy, tsy mandry andro aman’alina ny vahoaka » hoy i Hardy, mponina eny Andravoahangy. « Raikitra ny tifititra tety Masay, izahay tena tsy sahy nivoaka fa natahotra mafy, ny jiolahy ihany koa tsy kely lalana ka sao ny sasany enjehana ny namany hafa mamely ihany. Tena mbola ho ela isika vao handroso raha miaina ato anaty tsy fandriam-pahalemana foana » hoy i Fred, mponina eny Masay.Mila ho isan’andro tokoa ny trangana fahafihana eto andrenivohitra, miaina anaty tebiteby ny vahoaka. Inona no vahaolana ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire