ActualitésTsidika

Alasora : Fanafody vidiana any amin’ny farmasia, tsy misy fanafody ao anatiny

Betsaka ny fitarainana ataon’ny mponina ao Alasora manoloana ny fanafody vidiana ao amin’ny Farmasia iray eny By Pass. Mividy boaty iray dia tsy misy na inona na inona ao anatiny. Rehefa mitaraina anefa ny mponina dia ahilik’ilay farmasia any amin’ny mpanamboatra fanafody ny rihitra. Inona no tena marina ? »Efa in-droa aho izay no tratra. Nividy fanafody teto ka sady nihomehy aho no tena gaga hoe fanahy iniana sa tena tsy fahafantarana tokoa » hoy i Lalaina, mponina eny By Pass. « Nentiko ny fanafody niaraka tamin’ny faktiora nividianana azy ka nangataka azy ireo handray andraikitra, saingy « tsia » avy hatrany ny valiny » hoy i Georgette, renim-pianakaviana nividy fanafody teto amin’ity Farmasia ity. »Tsy misy idiran’ny Farmasia mihitsy ilay izy satria tsy hoe mangalatra akory izahay fa hitsabo fa kosa hiresaka amin’ny orinasa nanao ny vfanafody izahay fa sao izy ireo no nandiso kely » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ity Farmasia ity. Samy mifampiakin-doha avokoa isika ka tokony hifanaja hatrany, ny mpivarotra mila mpividy ; ary ny mpividy mila mpivarotra.Mila aseho amin’ny endrika maro ny fifanajana, indrindra main’ny resaka varotra, toy ny fanatsarana ny entana amidy ho mendrika ny mpividy hatrany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire