Sambava : Mpirafilahy nifamono ka samy maty izy roa lahy
Trangam-piaraha-monina tsy fahita firy no niseho tao Nosy be, fokontany Antanifotsy I, kaominina ambonivohitra, distrikan’i Sambava, omaly alahady. Roa lahy no maty niady vehivavy, izany hoe mpirafilahy ireto nifamono ho faty ireto.
« Vehivavy iray mponina ao Antanifotsy I no nampirafy azy ireo. Lehilahy 30 sy 28 taona. Tokony ho tamin’ny 1 ora tolakandro dia nifankahatratra tao an-tranon’io vehivavy io ireto farany. Raikitra ny fifanjevona ka vaky ny ady » hoy i Lanto, mponina ao Antanifotsy I. « Voatsindrona antsy ny ambavafon’ilay lehilahy iray ary namely ny ankilany ka nahavoa ny lohan’iray koa ka tsy nisy tana ny ainy na dia efa noezahina nentina namonjy hopitaly aza » hoy ny solontenam-panjakana voafidy tany Sambava.
« Ny iray maty teo amin’ilay toerana nitrangan’ny ady. Minitra vitsy taorian’izany no tonga nandeha nitsabo tena tao amin’ny hopitaly «CHRR» Besopaka ilay hafa, efa feno ratra tanteraka saingy tonga teny amin’ny hopitaly dia tsy tana ihany koa ny ainy » hoy ny fanampim-panazavana nomen’ny zandary izay nanao fizahana teny an-toerana. Samy nentin’ny fianakaviana isan-tokony ny nofo mangatsiakan’izy roa lahy namoy ny ainy.
Ilay vehivavy ve izany no namono an-kolaka azy roa lahy sa izy roa lahy ihany no adala nifamono teo fa tsy misy idiran’ilay vehivavy ?
Nicole Rafalimananjara
