ActualitésTatitra

Etats-Unis : Lehiben’ny orinasa iray nandroaka mpiasa an-jatony tamin’ny tambajotra sosialy Zoom

ra-dàlana ny fandroahana mpiasa amin’ny « visioconférence » ao Etats-Unis. Orinasa mpanome antoka ao an-toerana ny Better.com, nandroaka mpiasa 900 tamin’ny alalan’ny « visioconférence » tamin’ny tamba-jotra Zoom ny lehibeny, Vishal Garg ny fiandohan’ny volana teo.Nitsahatra teo no ho eo ny fifanarahan’ireo mpiasa nantsoiny tamin’io fotoana io, ary nilaza izy fa hahazo ny fanamafisana amin’ny mailaka izany. Niparitaka kosa io horonantsariny nandroaka mpiasa io tao aorian’ny fandroahana nataony, ka nanazava izy fa tsy araka ny nandrasana ny vokatra nomen’ireo mpiasa ireo. Marihina fa 9% amin’ny olona miasa ao aminy ireo noesorina ireo, ary tsy voalohany izy no nanala mpiasa maro be tao amin’ny orinasany.

Laisser un commentaire