Ambohitrahaba : Diky nisy nanary teny ankalamanjana
Efa tena misy tsy menatra intsony ao Ambohitrarahaba fa sahy manary diky eny ankalamanjana. Simba ny tontolo iainana fa miparitaka ny fofona ka mitaraina ireo mponina manodidina. « Tsy salama saina intsony izay olona sahy nanary ireto maloto eto ireto. Tena tsy nisy nahatsikaritra mihitsy ve ? Tokony sahy miteny izay nahita ny nanary ireto fa tena tsy ekena mihitsy ny toy izao » hoy i Hasina, mponina any Ambohitrarahaba.
« Tsy misaina fa dia mila mandray andraikitra mihitsy ny mpitondra eto Ambohitrarahaba fa ny mpitandrina izao no nanolo-tena nanadio azy teo, atao inona fotsiny ireo polisy kaominaly ireo fa dia faly handehandeha eran’ny tanàna fotsiny kanefa volam-bahoaka ihany no hanakaramaina azy » hoy i Andry, raim-pianakaviana monina any Ambohitrarahaba.
« Aoka hiteny amiko izay mahalala olona nanafoana kabone any ho any fa tena tsy manaiky an’izao izaho » hoy i Andriakoto, tompon’ilay toerana nanariana diky. Mampalahelo tokoa ny to-tsaina fa ny maloto efa afenina ambanin’ny tany no navoaka ho hitam-poko, ho hitam-pirenena.
Manana adidy lehibe hifampiteny amin’ny mpiray vodirindrinda amintsika isika raha toa ka misy tsy mety ataony tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
