Ezahana ho vitaina haingana ny RN 44
07 Desambra, 10h26. Nandeha teny ifotony nijery ny lalam-pirenena faha 44 ny Ministeran’ny asa vaventy izay notarihan’ny Ministra Hatrefindrazana Jerry. Taorian’ny fahataran’ity asa fanamboaran-dalana ity tamin’ny fitsidihana farany izay natao ka nanomezana 45 andro ny orinasa CRBC amin’ny fanampiana ireo fitaovana nampiasaina mba hanenjehana ny fahataran’ny asa dia nahitana fiezahana izany ankehitriny. Mbola mitohy ny asa ary ezahana hovitaina anatin’ny fe-potoana voafaritra. Tsara ny manamarika fa ny 24% ny asa no efa vita.
