ActualitésTatitra

Autriche : Ho ampandoavina lamandy ireo tsy vita vaksiny

Nandray fepetra maro i Autriche mba hiadiana amin’ny valan’aretina covid-19. Nampihatra ny fihiboana izy ireo ny 22 novambra teo ary nanamafy indray ny fitondram-panjakana ny 1 desambra teo fa tsy maintsy manao vakisny avokoa izao ao an-toerana manomboka ny 1 febroary 2022 izao raha efa 66% ny mponina no efa nahazo izany.Mandoa lamandy kosa ireo tsy vita vaksiny aorian’io daty io raha ny fanazavana aryefa voarakitra ao amin’ny volavolan-dalàna’izy ireo izany. Hisy fampiantsoana in-droa ataon’ireo manam-pahefana amin’ireo tsy vita vaksiny amin’izany raha ny fanazavana ka mandoa 3 600 euros hatramin’ny 7 200 euros (33 tapitrisa Ar) izay minina tsy mamaly izany.

Laisser un commentaire