ActualitésTatitra

Brésil : Efa tafiditra ao ny variant Omicron

Olona roa tonga tao Brésil ny voamarina fa mitondra ny variant Omicron. Lehilahy 41 taona sy vehivavy 37 izy ireo raha ny fanazavana ary tonga tao an-toerana ny 23 novambra teo avy any Afrique du Sud.Nohamarinin’ny governemantan’i Sao Paulo, ao atsimon’i Brésil ny talata teo ireo tranga ireo. Efa misy tranga hafa ahiahiana ihany koa nefa ao an-toerana amin’izao fotoana raha ny fanazavana. Olona iray avy ao Ethiopie nandalo tao Afrique du Sud ary tonga tao an-toerana ny iray amin’ireo izay efa hanatanterahan’ireo manam-pahaizana fitsiriana ara-pahasalamana. Ao Belo Horizonte (atsimo atsinanana) sy ao an-drenivohitra Brasilia kosa ireo tranga hafa.Marihina efa mihidy ny sisin-tanin’i Brésil amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire