ActualitésTsidika

Manandriana : Kaominina isan’ireo hisitraka ny tetik’asa « Tambatra »

Kaominina iray voakasiky ny tetik’asa « Tambatra » ny kaominina Manandriana. Notontosaina tany an-toerana ny hetsika izay nahitana trano heva maro isan-karazany. Ity tetik’asa ity dia ho entina hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, izay hanampiana indrindra ireo fianakaviana marefo ao anatin’ny Kaominina maromaro.

« Ny governemanta ao Monaco no mamatsy vola ity tetik’asa ity, izay natao indrindra hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo misy eto amintsika, ka maro ny hetsika amin’izany toy ny fampiofanana ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra sy ny fanampiana ireo sekoly ary toeram-pitsaboana sy ny maro hafa » hoy ireo mpikambana ao amin’ny « Action Contre la Faim Madagascar ». « Tsy nataonareo ambaninjavatra izahay na dia aty ambanivohitra aty aza fa tsy nohadinoinareo, ka isan’ireo hisitraka ny tetik’asa Tambatra » hoy ny tompon’andraikitra ao Manandriana Avaradrano.

« Manana anjara lehibe amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny fahadiovana mandritra sy mialoha ary aorian’ny sakafo ka mila hampahafantarina bebe izany » hoy ireo fikambanam-behivavy any an-toerana. Tonga nanatrika ity fety tao Manandriana ity avokoa ny tompon’andraiki-panjakana sy ireo tompon’andraikitry ny fampianarana any an-toerana. Irariana mba hiparitaka manerana ny kaominina rehetra eto Madagasikara ny tetik’asa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire