SocialTatitra

Maurice : 366 ireo marary tsy misy soritr’aretina

Miamiakatra ireo mitondra ny tsimok’aretina nefa tsy maneho soritr’aretina ao an-toerana. 371 ny tranga hita tao anatin’ny iray andro hoy ny ministry ny fahasalamana ao an-toerana ny sabotsy teo ary 366 tamin’ireo tsy nisy soritr’aretina avokoa. Ny 5 kosa efa nalefa eny amin’ny hopitaly ENT raha ny fanazavany.

0,59% kosa nefa tahan’ny mponina mitondra ny tsimok’aretina ao Maurice ary 22 ny fitambaran’ny matin’izany hatramin’izay. 782 113 kosa no nahazo ny vaksiny voalohany ary 688.792 no efa nahazo ny fatra roa amin’ny fanefitra.

Laisser un commentaire