ActualitésTsidika

Talata Volonondry : Mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ireo fikambanana mpiray ombon’antoka

Mihamafy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Talata Volonondry sy ireo fikambanana mpiray ombon’antoka ao an-toerana, amin’ny fanatanetrahana ireo tetik’asa sy foto-drafitr’asa entina hanasoavana ny mponina ao an-toerana. Maro ireo ezaka efa vita amin’ny fampivoarana sy fanatsarana, indrindra eo amin’ny sehatry ny fampianarana, ao an-toerana.

«Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fitokanana ny lakozia ho an’ny mpianatra ao amin’ny EPP Morarano Idilana. Teo ihany koa ny fanomezana fatana mandeha amin’ny akofa izay mora ampiasaina ary nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo izay nokarakarain’ireo tera-tany vahiny izany » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

«Ezaka lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny fampianarana tokoa izao asehon’ireo tomponandraikitra izao. Anisan’ny nanamarika manokana ity fiaraha-miasa ity ny fampiasana ny fatana fampiasana ny akofa, izay tokony ho trandrahina ary ampianarina ny mpianatra entina hikajiana ny tontolo iainana » hoy i Safidy, mpilatsaka an-tsitra-po.

Anisan’ny ezaka lehibe ataon’ny kaominina ho fanatsarana ny lafin’ny fampianarana, indrindra eo amin’ireo tolotra mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra. Miara-miasa amin’ny kaominina ao anatin’izany moa ny fikambanana (Association) Mazava, Hum’amis, Tany Soa restauration.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire