Alasora : Jiolahy 12 nanafika polisy
Andian-jiolahy mitondra basim-borona no nanafika ny tokatranon’ny polisy communal iray ao Alasora. Ny alin’ny Talata 10 Aogositra 2021 no nitranga ny fanafihana tao Ambodivondava.
Raha vao naharay antso ny biraon’ny biraon’ny polisy, nandefa mpitandro filaminana hanao ny fanadihadihana izy ireo. Ireo jiolahy kosa anefa efa tafatsoaka. Raha ny fantratra dia fahitalavitra (écran plat) roa, solosaina roa, firavaka maromaro ary vola no lasan’izy ireo tamin’izany Nandritra ny fikarohana sy ny fanarahan-dia nataon’ireo mpitandro filaminana, nahitana fitoerana (étui) basim-borona calibre 12 izay nampiasain’izy ireo teny amin’ny manodidina ny tanàna.
Etsy andaniny, efa nametraka fitarainana teny amin’ny zandarimaria ireo niharan’ny fanafihana. Mbola hampanaovana ny fanadihadihana moa ireo mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.
Maro sy misesy tokoa ny vaky trano sy ny fanafihana amin’izao fotoana, tsy tokony hisy hatrany ve ireo andri-maso-pokolona na ireo « quartier mobile » miandraikitra ny fandriam-pahalemana ao amin’ny tanàna iray ?
Sitraka Rajaonaivony
