Mexique : Nahatratra ny isa betsaka indrindra tamin’ny matin’ny Covid-19 tao anatin’ny 24 ora
786 no matin’ny Covid tao Mexique tao anatin’ny 24 ora raha ny tatitra nataon’ireo manam-pahefana mexicaine. Ity ni isa betsaka indrindra tao anatin’ny iray andro tao aorian’ny fahafolo ny volana aprily teo izay nahita trangana fahafatesana 874 raha ny fanazavan’izy ireo.
Efa mahatratra 245 476 ny lavon’ny valan’aretina tao mexique hatramin’ny fiandohan’ny valan’aretina hoy ny ministeran’ny fahsalamana ao an-toerana. 2 997 885 kosa ireo tranga voahamarina izay niampy ny tranga 19 555 ny talata teo. 27,6 tapitrisa kosa ny olona efa vita vaksiny tanteraka ao mexique.
