Lozam-pifamoivoizana RN7
Toa mia mahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana. Tranga vaovao indray omaly atoandro no namoizana olona iray ary nandratra ankizy maromaro tamin’iny lalam-pirenena faha 7 iny. Fiara mpitatitr’olona ireo no nivadika tafavoaka ny arabe teo Antemotra avaratra Ilempona kaominina Antanifotsy raha nikasa hitodi-doha any Fandriana. Mbola tsy fantatra mazava aloha na fanaovana tandrevaka no nitarika ity loza ity.
Hasina Rasamimanana
