SocialTatitra

Maurice : Tsy afa-miaraka ny fanaovana vaksiny vao haingana sy ny fanomezan-drà

Tsy tokony ho gaga raha toa ka miantso ny hôpitaly, fa te hanome rà kanefa efa nahavita ny vaksiny fanefitrin’ny Covid-19, ka lavin’izy ireo. Fa inona no antony tsy azo anomezan-drà ? Mety tsy hampihena ny fanomezan-drà ve ny fisian’ny fanaovam-baksiny ka hampihena ny tobin-drà ao amin’ny hôpitaly ? Isan’andro tokoa mantsy dia tokony hahazo rà 160 pintes ny tobin-drà ao Maurice izay ho an’ireo marary tsy ampy rà sy ny manodidina izany, ny mararin’ny homamiadana ary ireo mila rà hafa hoy ny mpikambana iray ao amin’n hoy ny mpikambana iray ao amin’ny « Blood Donors’Association » na BDA, Sarah Thandrayen. Tsy afaka manome rà araka izany ireo vao vita vaksiny raha tsy miandry 28 andro aloha hoy ny OMS. Mbola ampy tsara aloha ny rà hatreto hoy i Dr Janaki Soonoo izay tompon’andraikitry ny tobin-drà ao Maurice. Mangataka ny fanomezan-drà alohan’ny hanaovana vaksiny araka izany ireo mpitsabo any an-toerana.

Laisser un commentaire