ActualitésTatitra

France : Fisamborana maromaro tao aorian’ny fanafihana polisy iray tao Loire

Lehilahy 8 no nosamborina ny marainan’ny alarobia 26 may, tao aorian’ny fisiana fanafihana polisy iray ny alin’ny 13 may hifoha 14 may lasa teo. Naratra mafy ny lohan’ity polisy ity noho ny bala nahavoa azy nandritra ny fanadihadiana nataony tamin’io alina io tany Rive-de Gier (Loire) araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo polisy sy ny fitsarana. Tao Rive-de-Gier sy Saint-Chamond ao Loire ary tany Givors (Rhône) no nisehoan’ireto fisamborana ireto. Ho fanampin’izany, nanetsika polisy 84 isa ny avy ao amin’ny departemantan’ny polisy, izay ahitana brigadin’ny fikarohana sy mpitsara mpandeha eny ifotony ary sampana roa avy ao amin’ny RAID. Saika efa efa voasambotra avokoa ny ankamaroan’ireo olona voarohirohy ary notanana vonjimaika any Saint-Chamond sy Saint-Etienne hoy hatrany ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy.

Laisser un commentaire