SocialTatitra

Pays-Bas : Mitrandraka ny tantely ho fitaovam-pitiliana Covid-19 ireo mpikaroka

Manomboka liana amin’ny tantely ireo mpikaroka any Pays-Bas ankehitriny, mba ahafahana mitily ny coronavirus. Manana fahatanjahana amin’ny resaka fofona ity bibikley ity ka aorian’ny fanandramana no ahafahan’izy ireo mifofona ny aretina. Ny orinasa InsectSense sy ny toerampikarohana Wageningen Bioveterinary Research no hiara-hiasa amin’izao tetik’asa izao. Tantely miisa 150 no nalain’izy ireo hanaovana ny fikarohana. Omen’ireo manam-pahaizana ranon-tsiramamy aloha ny tantely isaky ny hitily coronavirus izy. Aloan’ny tantely amin’ny lelany izany refefa mahare fofona Covid-19 izy. Mino ireto mpikaroka ireto fa afaka manampy ny firenena tsy dia manana fahafahana amin’ny fitiliana izao vokam-pikarohana izao. Mila miandry ny dingana siantifika rehetra anefa aloha izany.

Laisser un commentaire