ANTONTAN’ISA NY 10 MAY 2021
11 May, 13h00. Miisa 600 indray ny fitiliana vita ny 10 May teo ka nahitana 189 ny tranga vaovao tamin’izany raha 110 Analamanga, 1 Atsinanana, 1 Melaky, 30 Vakinankaratra, 2 Diana, 3 Boeny, 23 Matsiatra Ambony, 1 Atsimo andrefana, 1 Vatovavy Fitovinany, 2 Menabe, 6 Amoron’Imania, 4 Bongolava, 2 Ihorombe, 2 Itasy, 1 Melaky. Nahitana 378 kosa irreo sitrana ka 1980 hatreto no manaraka fitsaboana ka 284 no ahitana tranga fahasarotana. Miisa 3 ny lavon’ny aretina ho an’io daty io ka 1 sava, 1 Atsinanana ary 1 Menabe. Mbola entanina hatrany isika amin’ny fanajana ny lamina napetraka ho fiarovana amin’ny aretina.
