Maurice : Olona mirahalahy no hita faty teny amoron-dranon’i Curepipe
Manahy ho nisian’ny asa ratsy ny polisy taorian’ny nahitana ny fatin’olona roa teny amoron-drano akaikin’ny fiangonana Saint Clément any Curepipe Maurice ny androany zoma 30 Aprily. Mpirahalahy iray tampo izy roa lahy ireto ka i Dev sy Shyam Seeburun no anarany, 52 sy 50 taona. Efa nanomboka tsy hita izy roa lahy irety ny Alarobia 28 aprily lasa teo izay mponina ao an’ala ihany. Nahitana ratra maro tamin’ny tenany. Tonga avy hatrany ny polisy avy ao Curepipe raha vao nampandrenesina ary tonga ihnay koa ny avy ao amin’ny sampana famotopotorana ny heloka bevava. Ny avy ao amin’ny Birao Scene Of Crime no nangatahana hanangona ireo famantarana. Miandry ny mpitsabo hanao fizahana ireto marary ireto ny mpanao famotorana vao hitondra azy any amin’ny tranom-paty ao amin’ny hopitaly Victoria.
