Dépêches

Vontovorona : Fifandonana eo amin’ny mpianatra sy ireo mpitandro filaminana

Mitaky vahaolana maharitra ireo mpianatra momban’ny:

-Foto-drafitrasa sy ny kalitaon’ny fampianarana eny anivon’ny sekoly, izay tena mila fanatsarana tanteraka,

-Ny fahanteran’ireo foto-drafitrasa anivon’ny « Campus » izay mety hitarika loza sy fahamaizana isan-karazany,

-Ireo toeram-pidiovana iafian’izy ireo: « Douche + wc » izay efa tena tsy mendrika ho ampiasaina intsony ny ankamaroany

-Ny tsy fisian’ny connexion internet mifanaraka amin’ny fianarana sy fikarohana atao.

-Ary indrindra ny vatsim-pianarana izay tsy navoaka tamin’ny fotoana efa nampanantenaina anay (24 Aprily 2024).

Laisser un commentaire