Taiwan : Nisehoana horohoron-tany am-polony indray
Telo herinandro taty aorian’ny trangana horohoron-tany mahery vaika tao amin’ny renivohitry’i Taiwan, dia nisehoan’izany indray omaly vao maraina tao Taipei, renivohitr’i Taiwan hatrany. Tsy nisy ny aina nafoy saingy nanozongozona foto-drafitr’asa goavana tao an-toerana izany, araka ny voalaza. Nifanesisesy ny fisehoan’ity loza voajanahary ity nandritra izany alina izany, ary heverina ho niverina im-polo teo izany. Ny mafy indrindra voarakitr’ireo manam-pahaizana avy amin’ny ivon-toerana misahana ny géophysique any an-toerana, dia teo amin’ny mari-drefy 6,1 teo.
