Pakistan : Nisehoana rotsak’orana tsy tahaka ny mahazatra, nahafatesana olona 65
Tsy tahaka ny mahazatra ny rotsak’orana niseho tao Pakistan, tamin’ity herinandro ity. Hatramin’ny niatombohan’ity volana ity, nivatravatra hatrany ny orana, saingy ny roa andro tao anatin’izay dia mafy kokoa ary tsy nahazatra ny mponina. Tao anatin’ny efatra andro, maherin’ny 65 ireo olona maty vokatr’izany ora-mikija izany. Teo anelanelan’ny zoma ka hatramin’ny alatsinainy teo, dia niteraka tondra-drano sy firodanan’ny trano izany oram-be izany ; ankoatra izany, olona 28 teo no maty nilatsaha-potaka. Anisan’ny tranga mafy indrindra ity, raha ny nambaran’ireo manam-pahefana any an-toerana. Tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Pakistan ihany, dia maherin’ny 1300 ireo trano rava vokatry ny fisian’izany orambe izany hatrany.
