SocialTatitra

France : Tsy nisy fijerena intsony ireo trano ravan’ny horohoron-tany 10 volana taty aoriana, sosotra ireo niharam-boina

Tanàna iray no ravan’ny horohoron-tany niseho ny 16 jona 2023, any Charente-Maritime, France. Trano am-polony maro no rava vokatr’izany ary tsy azo nitoerana intsony taorian’ny loza, tsy nisy intsony ihany koa ny fandraisana an-tanana sy fanamboarana ireo trano, araka ny voalazan’ireo tomponandraikitra. Fihetsehan-tany, tany amin’ny manodidina ny 5,3 eo amin’ny mari-drefin’i Richter no niseho tao an-toerana, ary anisan’ny mafy indrindra ity niseho ity satria naharava trano hatrany amin’ny 180 isa. Folo volana aty aorian’ny nitrangan’ny loza, tsy mbola tafarina ny fahavoazana sy ny fahasimaban’ireo foto-drafitr’asa noho ny tsy fisian’ny fandraisana an-tanana izany. Ao anatin’izany, misy ireo mitaraina ny tokony hanomezana tolo-tanana amin’ny fanarenana izany tanàna izany, misy kosa ireo namoy tanteraka ny trano fonenany.

Laisser un commentaire