Alasora: Mpisoloky efa rain-dahiny tratran’ny CSP tany Sabotsy Namehana
Lehilahy iray efa rain-dahiny amin’ny asa fisolokiana no tratran’ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Alasora, ny faran’ny herinandro teo. Efa an-taonany maro izy no nanaovana fikarohana ka tratra tao Sabotsy Namehana, toeram-piafenany.
« Naharay fitarainana maro avy amin’ny olona ny teto anivon’ny polisy noho ny fisiana lehilahy iray mpisoloky. Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny vela-pandrika dia nosamborina teny Sabotsy Namehana rehefa niafina an-taonany ka izao tratra izao » hoy ny avy amin’ny kaomisarian’ny polisy Alasora.
« Maro ny olona efa voasolokin’ity lehilahy ity. Ary ankoatran’ny fanadalana olona amin’ny fakana vola dia enjehina noho ny fisandohana andraikitra ihany koa izy. Izy moa dia nisoloky andraikitra ary nilaza fa inspecteur de police » hoy hatrany ny fanazavana.
Efa maro no niharan’ny fisolokian’ity lehilahy ity. Ho an’ireo izay manan-draharaha momba azy moa dia afaka manantona ny biraon’ny kaomisarian’ny polisy ao Alasora.
