ActualitésTsidika

Talata Volonondry:  Nisy ny atrik’asa momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy

Tontosa soa aman-tsara  ny atrik’asa niresahana mahakasika ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, tao amin’ny kaominina Talata Volonondry. Izany moa dia niarahana tamin’ny ministeran’ny mponina sy ireo hery velona tao amin’ny kaominina.

« Ny herinandron’ny 21 martsa teo no natao teto amin’ny kaominina ny atrik’asa momba ny herisetra mianjady amin’ny ankizy. Ankehitriny, efa mijoro ny rafitra misahana izany eto an-toerana » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

« Anisan’ny sehatra tsy mba voaresaka matetika, indrindra fa ety ambanivohitra ny mahakasika ny herisetra hiainan’ny ankizy. Maro anefa ny endrika isehoan’izy io, tsy fantatry ny mponina na ny ray aman-dreny mihitsy ka ny fijoroan’ny rafitra tahaka izao dia zava-dehibe amin’ny fampahafantarana izany » hoy i Diary, mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy.

Miseho amin’ny endriny maro ny herisetra. Maro ireo ankizy no miaina ao anatin’izany kanefa tsy mahafantatra ny maha herisetra izany. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny herisetra ny tsy fanajana na fanomezana ny zon’ny ankizy.

Laisser un commentaire