Smatchin : Ny 24 febroary no hanatanterahana ny « pré-sélection Miss et Mister »
Fifaninana iray ao anatin’ny smatchin ny fisafidianana ireo tovovavy sy tovolahy tsara tarehy, mandritra ity lalao ity. Samy efa manomana tovovavy sy tovolahy avokoa ireo institut sy faculté mandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Ny fepetra takiana moa ao anatin’ny fifaninanana Miss et Mister Smatchin, raha ho an’ny vehivavy dia mirefy 1metatra sy 65, 1metatra sy 75 kosa raha lehilahy, marani-tsaina, tia karokaroka, tsara tarehy sy mahatoky tena ary mahay mandresy lahatra.
Ho an’ny isaky ny faculté sy institut moa dia mila manomana vehivavy sy lehilahy miisa telo avy amin’ity pré-sélection ity. Mila mitondra ihany koa ny taratasy manamarina ny mombamomba ny mpandray anjara, izay mandalo avy any amin’ny tomponandraikitry ny sampam-pikarohana hiofanana ary sarin’ny mpandray anjara.
Marihina fa ny 24 febroary izao no hanatanterahana ny fisafidianana mialoha ity. Eny amin’ny La Canopée, Hotel Centell Antanimena no hanaovana izany, manomboka amin’ny 2ora sy sasany.
