PolitiqueTatitra

Famonoana ireo mpitondra fanampiana tao Gaza : Miantso fanadihadiana manokana ny World Central Kitchen

Mangataka ny hanokafana ny fanadihadiana manokana ireo avy amin’ny fikambanana tsy miankina World Central Kitchen, mba hamoahana ny marina manoloana ny famonoana ireo mpilatsaka an-tsitrapo miisa fito, nitondra fanampiana ho an’ny mponina tao Gaza, ny alatsinainy teo. Nanomboka tamin’ny tapaky ny volana martsa, io fikambanana Amerikana io, dia namatsy sakafo ireo mponina tao Gaza, na dia teo aza ny hamafin’ny zava-nisy tao an-toerana sy ny fanakanana ireo sambo nitondra izany fanampiana izany. Amin’izao fotoana, noho ity tranga ity dia naato izany famatsiana izany ary mangataka ireo governemantan’i Australie, Canada, Etats-Unis, Pologne ary Royaume-Uni, izay firenena niavian’ireo olona fito lasibatra, ny fikambanana mba hitambatra sy hitady ny marina manoloana io fitifirana nataon’ny tafika Israely io.

Laisser un commentaire