SocialTsidika

Voafitaka ny polisy, voafitaka ny vadiny, voafitaka ny mpanara-baovao

« Ny marina mitavozavoza tsy mahaleo ny lainga tsara lahatra » hoy ny Ntaolo malagasy. Tsy atao sakana amin’ny asan’ny mpitandro filaminana izay tsy mitsahatra mikaroka ny marina anefa izany tenin’ny Ntaolo izany, ka na lainga sy teti-dratsy tsara lahatra sy tsara fipetraka aza rehefa hadihadihana tsy hisy marina izay tsy hiseho. Toy izany tokoa mantsy no niseho, naparitak’ity vehivavy ity fa very ny zanany teny Behoririka raha iny haka taxi iny izy sy ny mpanampiny. Ary ity farany no nolazainy fa nitondra izany nitsoaka, avy eo nambarany indray fa lohan-janany ilay hita teny Namontana. Voafitaka hatramin’ny vadiny aza, teo ihany koa ny polisy sy ny mpanaraka tao amin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Saron’ny polisy avy ao amin’ny sampana heloka bevava anefa ity ramatoa mpandainga sy mpamita-bahoaka ity nony farany. Marina aloha ny nolazainy fa mipetraka any Mahajanga izy sy ny vadiny ary nangataka tamin’ity rangahy izy fa hiala sasatra ho any Antsiranana satria mitondra vohoka ary nandritra ny dia tany no maty ilay zaza. Kanefa nambarany tamin’ny vadiny fa teraka ary salama tsara ny zazakely, nandefasany sarin-jaza hafa mihitsy aza mba hampitony saina ny vadiny. Avy eo niakatra taty Antananarivo ilay vehivavy ary taty no nanomanany ny teti-dratsiny. Inona tokoa no nahafaty ilay zaza no dia nafenina sy nahavitan aheloka bevava tahaka izao ? Niaiky ny heloka vitany ilay vehivavy raha voaporofo fa tsy zanany akory ilay teny Namontana, teo vao nibaboka ny laingany. Sanatria misy ambadika hafahafa ve ny nahafaty ilay zaza tao am-bohoka no afenina mafy tahaka izao ? Ka natahorany sao hifototra aminy ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire