ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nisitraka ireo fampitaovana avy amin’ny INDDL

Nahazo ny anjarany tamin’ny fitaovana nomen’ny ivon-toerana nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ifotony (INDDL) ny kaominina Ambohimanambola. Nisy ny fanolorana izany tao an-toerana, izay tetikasa GUGA, niarahana tamin’ny ivon-toerana hatrany.

« Mba ahafahana manome tolotra aingana sy mahafapo ny mpanjifa mandeha ety amin’ny kaominina dia nanaraka fiofanana maro ilain’ny servisy misy azy tsirairay avy ny tomponandraikitra misahana izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Rehefa vita ireo fiofanana dia nisitraka ireo fitaovana ahafahana mampihatra izany ny servisy tsirairay avy. Manatsara sy manafaingana ny kalitaon’ny asa ny fahazoana itony Fitaovana itony » hoy hatrany ny fanazavana.

Nahitana solosaina fampiasa amin’ny birao, imprimante laser jetpro ary onduleur, ireo moa no fitaovana natolotra nandritra izany. 

Laisser un commentaire