Ambohimanambola : Tontosa ny famindram-pitantana eo amin’ny mpitantana ny rano vaovao sy ny kaominina
Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fanolorana sy famindram-pitantana, eo amin’ny kaominina, tomponan’ny materialy sy ny orinasa EERT, izay mpitantana ny rano vaovao ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Ity orinasa ity no tomponandraikitra amin’ny fampisitrahana rano vaovao ho an’ny foto-drafitr’asa Ampahimanga Ikopa sy Ambohipeno, araka ny voalaza.
« Voaresaka nandritra ny fotoana teto ireo fandaharan’asa rehetra mahakasika ny fanatsarana ny fitantanana ny rano satria dia tsy mpitantana fotsiny ihany no mason-tsivana napetraka fa sady mitondra fanatsarana ihany koa » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Mitaky fiovana goavana ny famindram-pitantana tahaka izao. Ny andrasana amin’izany dia mba tsy hiverina intsony ny olana teo aloha, na eo amin’ny tolotra omena na ny lafin’ny serasera amin’ny mpanjifa. Mitaky fandraisana andraikitra goavana ny fitantanana ka izay no mila ataon’ny tomponandraikitra ezaka » hoy i Mbolatiana, mponina ao Ambohimanambola.
Raha tsiahivina, ny kaominina Ambohimanambola no nadray an-tanana vonjimaika ny fitantana ny rano tao an-toerana. Nandritra ny enim-bolana no nandraisan’izy ireo izany sy nijerena ireo lesoka sy paik’ady entina hanamorana ny fandraisan’ny mpitantana vaovao izany. Telo volana, manomboka ny volana febroary izao moa ny fe-potoana hanatanterahan’ity orinasa ity ny asa voarafitra tao anatin’ny tolo-bidy ho fanatsarana sy fampandehanana izany.
