Masindray : Mila fanamboarana ny lalana ao Manazary
Efa ela no tsy nisy fanamboarana ny lalana ao Manazary, kaominina Masindray. Mitaraina manoloana ny faharatsian’ny lalana ny mponina, indrindra amin’izao fotoanan’ny fahavaratra izao.
« Tena ratsy loatra ity lalana ity ka tokony ho jeren’ny tomponandraikitra manokana. Mijaly ny mponina mifamezivezy. Ireo lava-davaka sy ny fotaka dia tena manimba ny fiara ka izay no hanaovana antso avo » hoy i Solo, mpitatitra.
« Tsy tokony hiandry fitarainana foana ny kaominina vao hitondra asa fanamboaran-dalana fa tokony ho tafiditra ao anatin’ny asa fampandrosoana tokony ho sitrahan’ny vahoaka izany. Ny kaominina dia anisan’ny betsaka kamiao mifamezivezy, misy ny ristourne alohan’ireo mpitatitra ireo ka tokony tsy olana ny resaka fanamboaran-dalana eto an-toerana » hoy i Miora, mponina ao Masindray.
Sehetra iray hitarafana ny fandrosoana ny lalana. Tsy tokony atao ambanin-javatra araka izany ny asa fanamboaran-dalana satria hiankinan’ny fiainana andavan’andron’ny mponina.
