Ukraine : Miampanga an’i Moscou ho mandefa andiana miaramila any amin’ny sisin-tany atsinanany
«Fampisehoana hery» sy «fihantsiana ady». Niampanga an’i Russie ho nanangona tafika teo amin’ny sisintanin’ny fireneny ny filoha ukrainiana Volodymyr Zelensky. Nampitandrina an’i Moscou kosa i Washington amin’ny fikasana hampihorohoroana an’i Ukraine. Nifampitatitra ny fihetsiky ny tafika rosiana akaikin’ny faritany feheziny ny manampahefana Ukrainiana sy amerikana. Nanamafy i Kremlin fa namindra ny tafikany araka izay hitany i Russie, saingy nanamafy izy ireo fa tsy fampitahorana izany ary tsy tokony « hanahy » amin’ireo hetsika ireo i Kiev sy ny tandrefana. Tsy izany velively anefa no hafatra alefan’ny fihetsik’izy ireo. Toy ny mamorona rivo-piainana mandrahona sy manery an’i Ukraine i Moscou hoy ny filoham-pirenena Ukrainiana. Tsy mankasitraka avelively io fihetsika io izy ireo ary mangataka ny ampitsaharana izany na inona na inona antony.
