Dépêches

Trano mora: Hiroso amin’ny fisarihana ireo hisitraka izany ny ao amin’ny faritra DIANA

28 Septambra, Hisy ny fisarihana ireo hisitraka ny trano mora, izay tanterahina any Tsararivotra, Nosy-Be, faritra DIANA, amin’ny sabotsy 30 septambra izao. Miisa 373 ireo nisoratra anarana tamin’izany, 356 isa kosa ireo nahafeno ny fepetra ka handray anjara amin’ny fisarihana. Eo ambany fanaraha-mason’ny Vadin-tany moa izany ary ny avy ao amin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana no mandray ireo nisoratra anarana, ny anton-taratasy ary ny fikirakirana ny lisitr’ireo handray anjara amin’izany.

Laisser un commentaire