ActualitésTsidika

Anjeva: Lehilahy iray nikasa hangalatra omby, tratran’ny zandary

Lehilahy iray nikasa hamoaka omby tao am-pahitra, tao amin’ny tokatrano iray ao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjeva gara, no tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny alin’ny 24 septambra teo. Lehilahy iray nanao fisafoana anana teny an-tsaha no nahatsikaritra ny zava-misy ka niantso mpitandro filaminana, araka ny voalaza.

“Amin’ny 10ora alina, rehefa avy nisafo anana ny lehilahy iray no nahatazana jiro teo anoloan’ny fahitr’omby ary efa nisokatra ny rojo hidin’ny fahitra izay misy omby telo isa. Tratrany tao ihany koa ny lehilahy iray izay mipetraka eo amin’ny manodidina ihany ka nitsoka kiririoka sy niantso ny zandary” hoy ny avy amin’ny mpiatandro filaminana.

“Tsy misy ankoatra ny fiambenana sy ny fahamailona ihany no vahaolana entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Efa maro loatra ireo tranga niseho tato ho ato ary mihamafy aza izany ka tokony miray hina ny iray tanàna, miara-mientana ary mifamonjy raha misy ny tranga hafahafa” hoy i Théophile, mponina ao Anjeva.

Taorian’ny fisamborana sy ny fanadihadiana ity lehilahy ity moa dia nentina niakatra tribonaly avy hatrany ka nidoboka am-ponja izy taorian’izany. Manoloana izao tranga izao moa dia tsy mitsahatra manentana ny zandary mba ho mailo sy hiambina hatrany ny rehetra mba ho antoky ny fandriam-pahalemana.

Manitra R.

Laisser un commentaire