Toliara : Zazavavy kely iray namoy ny ainy voadonan’ny fiarana zandary
Zazavavy kely iray no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, omaly atoandro, tao Toliara. Niampita tampoka ity farany, kanefa nandalo ny fiaran’ny zandary, izay nandeha mafy ka tsy nahatana ny hisatra intsony. Efa nentina namonjy ny hopitaly ity zazavavy kely ity taorian’ny nitrangan’ny loza saingy tsy tana ny ainy vokatry ny fahaverezan-dra be nahazo azy.
