Fampianarana ambony: Hiverina manomboka ny 18 septambra ny fampianarana ao amin’ny fakiolten’ny Siansa
Hiverina ny fampianarana ho an’ny fakioleten’ny Siansa, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, manomboka amin’ny alatsianiny 18 Septambara izao; tahaka izany ihany koa ny ho an’ny zana-tsehatra serasera ao amin’ny fakiolten’ny teny aman-tsoratra sy ny siansa mahaolona. Etsy ankilany izany, mitohy hatrany ny fitakiana sy ny fitokonana izay ataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpampianatra sy mpikaroka mampianatra (SECES) sampana Antananarivo, mandrapivaly ny fangatahan’izy ireo.
