Alasora: Miverina ny asa fanamboarana ny kianja ao Ambohidrazaka
Miverina ny asa fanamboarana ny kianja synthétique filalaovam-baolina ao amin’ny fokontany Ambohidrazaka, kaominina Alasora amin’izao fotoana izao, rehefa nisy fihatoana nandritra ny fotoana maharitra izay.
« Noho ny olana ara-teknika teo amin’ny fanamboarana ny kianja ka nahatonga ny fahataran’ny asa, efa amam-bolana vitsy izao dia efa miverina izany asa fanamboarana izany ankehitriny. Tsy maintsy napetraka ireo fandaminana mahakasika ny fanatanterahana ireo lalao fifaninanana natao teto amin’ny kianja, araka izany » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hita tokoa ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’ny fanamboarana ny kianja. Na izany aza anefa tokony atao vaindohan-draharaha ihany ny famitana izany satria raha tara kely ny fanamboarana na ny fahavitan’ny asa dia mety hanitatra ny fanamboarana sy ny asa atao izany » hoy i Tefy, mponina ao Alasora.
Raha tsiahivina, foto-drafitr’asan’ny kaominina, entina hanatsarana sy hanomezana lanja ny fanatanjahan-tena, indrindra fa ny baolina kitra ity kianja ity. Tanjona ao anatin’izany fanamboarana izany ny hanao azy ho kianja manara-penitra, mendrika ny tanora ary handraisana lalao maro.
Manitra R.
