Maldives : Mitàna ny laharana voalohany amin’ny hamaroan’ny mpizaha tany
Mbola mitàna ny laharana voalohany amin’ireo nosy rahavavy amin’ny hamaroan’ny mpizaha tany tonga mitsidika azy ny nosy Maldives. Tao anatin’ny enim-bolana voalohan’ity taona ity dia nisarika mpitsidika 929 607 ny nosy raha 813 271 izany tamin’ny taon-dasa. Voalohany ny nosy no nahatratra io isa io tao anatin’izany fe-potoana izany.
Raha tsiahivina dia 1,8 tapitrisa no vinavinan’ny isan’ny mpizahatany napetrakin’ny nosy ho amin’ity taona 2023 ity. Efa manakaiky ny tanjona, hoy ny tompon’andraikitra, ary heverina fa ho tratra izany. Marihana nefa fa tsy toeran-mpizahantany faobe i Maldives, mifanohitra amin’izany indrindra aza. Toerana natokana ho an’ireo manan-katao kokoa izy.
Mbola laharana voalohany amin’ireo mpizahatany maro an’isa indrindra tonga ao an-toerana kosa ny avy ao Russie, manaraka azy ireo i Europe, efa miakatra laharana ihany koa i Chine, raha latsaka avo telo heny ny avy ao Russie ny avy ao Etats-Unis.
