Etats-Unis : Vehivavy iray nisy naka an-keriny no avotra soa aman-tsara
Mpitondra fiara iray no nahafana nanavotra vehivavy iray nisy naka an-keriny ny herinandro lasa teo. Sendra naka solika tao amin’ny toby iray tao Seligman ao Arizona io mpitondra fiara io no nisy vehivavy nanatona azy ary nanolotra taratasy an-tsokosoko azy. Rehefa nojereny tao izany dia antso vonjin’ilay vehivavy izay nanoratra fa nalaina an-keriny.
Vovelaberin’io vehivavy io tao anatin’izany ny laharan’ny fiara nitondra azy ary ny toerana nikasan’ilay mpaka an-keriny nitondrana azy. Manoloana ny tranga dia nanantona ny manam-pahefana avy hatrany ilay mpitondra fiara ary raikitra ny fikarohana. Fantatra ihany koa tao anatin’izany fa efa andro vitsivitsy ny renin’io vehivavy nisy naka an-keriny io no nanao fikarohana azy.
Voasambotra kosa ilay lehilahy mpaka an-keriny antsoina hoe Jacob Wilhoit, 41 taona. Nilaza azy ho mpamily « uber » io lehilahy io tamin’ny fotoana nakany an-keriny ilay vehivavy raha ny fanazavana. Nahitana basy maromaro ihany koa tao anatin’ny fiarany.
