ActualitésSocialTsidika

Ambohimanga rova : Olona an-jatony no hisitraka tombotsoa amin’ny foto-drafitr’asa vaovao

Nahazo foto-drafitr’asa vaovao, fanangonan-drano na « forage », ho an’ny rano fisotro madio ny mponina ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova. Notanterahana ny alarobia teo ny fitokanana izany tao an-toerana izany, izay notarihin’ny filohan’ny antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa. Niara-nanatanteraka izany foto-drafitr’asa izany ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara, niaraka tamin’ny teknisianina avy amin’ny orinasa CGC (China Geo engineering Corporation) araka ny voalaza.

« Izao asa izao no tanteraka dia noho ny ezaka fifanomezan-tanana avy amin’ny tsirairay. Tonga any an-tokatrano ny rano fisotro madio ary tsy sahirana mandeha lavitra intsony ny mponina. Ho toy ny loharanon’ny fatsakana ihany koa ka tsy ho ritra mandrakizay anie ny finamanan’ny firenena roa tonta sy ny mponina ao aminy” hoy ny masoivohon’i Sina eto Madagasikara.

“Faly fa nahazo rano ny mponina ary zavatra tena iankinan’ny fiainam-bahoaka izany. Hisaorana ny masoivohon’i Chine tamin’ny namalian’izy ireo ny hetahetan’ny mponina eto an-toerana. Olona aman-jatony no hisitraka tombotsoa hanatsarana fihariana, ny fahasalamana ary ny fiainana ankapobeny amin’ny alalan’io forage io” hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona.

Anisan’ny ilain’ny mponina ary tsy afa-misaraka amin’ny fampivoarana sy fampandrosoana ny foto-drafitr’asa tahaka izao. ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ihany koa dia zava-dehibe ao anatin’izany amin’ny fikolokoloana sy ny fikajiana izany mba aharitra.

Manitra R.

Laisser un commentaire