Pakistan : Olona vao no taraiky teny ambony fitaterana an-tariby
Olona valo izay ankizy ny enina no taraiky teny ambony fitaterana an-tariby « artisanal» tao amin’ny faritra be tendrombohitra tao avaratra andrefan’i Pakistan. Ny talata no niseho ny tranga ary efatra ora taorian’ny nisehoan’izany vao nisy ny hetsika fanavotana azy ireo raha ny fanazavana.
Marihana fa toerana lavitrin’ny rehetra io toerana nisehoan’nytranga io. Voatery ny fanamafisam-peon’ny trano fiangonana silamo no nampiasaina nampandrenesina ireo tompon’andraikitra .Raha ny tatitra dia ankizy nikasa andeha hamonjy sekoly ireo enina nihantona teny amin’ny 365 m niala ny tany ireo. Antony ny tsy fandehanan’ny tariby iray intsony raha ny fanamafisana. Angidimbin’ny tafika kosa no nanavotana azy valo.
