France : Tovovavy iray no voadonan’ny fiarandalàm-by tao Gard
Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty tovovavy iray tao Gard tsy lavitr’i Nîmes ny 30 jolay teo. Raha ny fanazavana dia nitsangatsangana niaraka tamin’ny namany nitaingina bisikileta io tovovavy 14 taona io no nofahon’ny fiarandalàm-by TER nampitohy an’i Avignon sy Perpignan. Namoy ny ainy teo no eo ny tenany raha nahatazan-davitra ny zava-nisy ilay namany.
Raha ny fanamafisan’ny Objectif Gard dia tsy nahatsikaritra ilay fiarandalàm-by io tovovavy namoy ny ainy io. Nandeha mivantana teny an-toerana kosa ny zandary ao amin’ny sampana teknika sy siantifika ary ny dokotera namaritana ny antony tena nitarika ny loza. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza dia nitondra mpandeha manodidina ny 200 isa teo ilay TER raha ny tatitra.
