ActualitésSocialTsidika

Ambohimanambola: Niroso tamin’ny fandaniana ny fehezam-pitsipika momba ny fikoloam-pahasalamana ny kaominina

Notanterahana tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny biraon’ny kaominina Ambohimanambola, ny fandaniana faharoa ny fehezam-pitsipika kaominaly, mahakasika ny fikoloam-pahasalamana, fanadiovana, fahadiovana ary fidiovana.

“Taorian’ny fanolorana sy fandaniana ireo fehezam-pitsipika mikasika ny fikoloam-pahasalamana, fahadiovana, fidiovana dia naroso teo anivon’ireo mpanolotsaina kaominaly izany ka nangataka izy ireo ny hanatanterahana fandaniana faharoa ho fanamarinana hita maso ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra amin’ny tandrifiny voalaza anaty fehezam-pitsipika” hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimanambola.

“Araka ny tapaka nandritra izany fivoariana izany, nanaiky 100% ireo tomponandraikitra rehetra tonga nanatrika izany ka nirosoana ny fandaniana ny fehezam-pitsipika. Aorian’izao dia hiroso avy hatrany amin’ny fampahafantarana izany ny kaominina” hoy hatrany ny fanazavana.

Tsiahivina fa sehatra maro no vokasik’ity fehezan-pitsika ho an’ny fikoloam-pahasalamana, fanadiovana sy fidiovana ary fahadiovana ity ao an-toerana. Anisan’izany ny lafin’ny fahasalamana, ny fahadiovan’ny tanàna, ny fifehezana ny rano miparitaka sy ny fako, ny filaminan’ny tsena ary ny maro hafa.

Manitra R.

Laisser un commentaire