Startup Weekend Antananarivo: Hanomboka amin’ny zoma izao ny andiany manaraka
Raikitra indray ny Startup weekend (SWAT) ho an’ity telo volana manaraka ity. “Startup weekend Sustainability” manodidina io loha-hevitra io indray no hikatrohan’ireo tanora te ho mpandraharaha na manana hevitra hampandrosoana ny tetikasany na ireo mpisehatra amin’ny fandraharahana, manomboka ny zoma izao.
“Fotoana iray ahafahan’ireo tanora te ho mpandraharaha na manana tetikasa na ireo efa mpandraharaha maneho ny fahaiza-manaony ireo telo andro misesy ireo. Araka ny efa mahazatra ao anatin’ny SWAT, misy ny coaching, misy ihany koa ny tan-tsoroka avy amin’ireo mpandraharaha avy amin’ny sehatra maro, hifanakalo sy hifampizara fahalalana amin’ireo mpandray anjara” hoy i Hasina, tomponandraikitra mpikarakara ny SWAT.
“Ho an’ny fandaharam-potoanan’ny SWAT amin’ity andiany ity, hanomboka ny zoma 28 jolay izany. Ary eny amin’ny Habaka Tsimbazaza no hanatanterahana ny roa andro voalohany. Eny amin’ny NextA Andranomena kosa ny famaranana ny fifaninanana” hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina moa fa hanomboka amin’ny 08ora maraina ny fanokafana ny SWAT amin’ny zoma izao ary mifarana amin’ny 04ora sy sasany izany isan-kariva. Tsy misy moa ny sara-pandraisana anjara ao anatin’izany. Afaka manoratra anarana anatin’ny rohy eto ambany kosa ireo maniry handray anjara amin’ny SWAT Sustainability.
Manitra R.
